Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 38:23-40 Malagasy Bible (MG1865)

23. Izay voatahiriko ho amin'ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?

24. Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan'ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin'ny tany?

25. Iza moa no nihady lalan-drano ho an'ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an'ny helatry ny kotrokorana,

26. Handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy mponina,

27. Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?

28. Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon'ando?

29. Kibon'iza moa no nihavian'ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin'ny lanitra, iza no niteraka azy?

30. Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin'ny lalina.

31. Mahavona ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?

32. Mahavoaka ny Mazarota amin'ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin'ny zanany va ianao?

33. Fantatrao va ny lalàn'ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan'ireny ny tany va ianao?

34. Mahasandratra ny feonao ho amin'ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?

35. Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?

36. Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana?

37. Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon'ny lanitra,

38. Hitambaran'ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?

39. Mahay mihaza toha ho an'ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan'ny liona tanora,

40. Raha mamitsaka ao amin'ny fitoerany izy ary manotrika ao amin'ny kirihitrala?

Vakio ny toko manontolo Joba 38