Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 37:4-14 Malagasy Bible (MG1865)

4. Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon'ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.

5. Mahagaga ny fikotrokotrok'Andriamanitra amin'ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.

6. Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin'ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.

7. Mampiohona ny tanan'ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;

8. Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.

9. Avy any atsimo ny tadio, ary entin'ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.

10. Ny fofonain'Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.

11. Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon'ny helatra dia ampieleziny;

12. Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin'ny tany eran'izao tontolo izao,

13. Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an'ny taniny izany na ho famindram-po kosa.

14. Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon'Andriamanitra.

Vakio ny toko manontolo Joba 37