Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 37:18-23 Malagasy Bible (MG1865)

18. Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?

19. Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,

20. Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona tokoa va?

21. Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin'ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.

22. Avy any avaratra no ihavian'ny mazava mitarehim-bolamena; Ao amin'Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.

23. Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.

Vakio ny toko manontolo Joba 37