Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 37:12-19 Malagasy Bible (MG1865)

12. Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin'ny tany eran'izao tontolo izao,

13. Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an'ny taniny izany na ho famindram-po kosa.

14. Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon'Andriamanitra.

15. Fantatrao va ny fanamboaran'Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry ny rahony?

16. Fantatrao va ny fihevahevan'ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon'Ilay tanteraka amin'ny fahalalana?

17. Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon'ny rivotra avy any atsimo,

18. Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?

19. Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,

Vakio ny toko manontolo Joba 37