Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 37:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin'ny fitoerany.

2. Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin'ny vavany.

3. Mandefa izany ho eny ambanin'ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra hatramin'ny faran'ny tany.

4. Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon'ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.

5. Mahagaga ny fikotrokotrok'Andriamanitra amin'ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.

6. Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin'ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.

7. Mampiohona ny tanan'ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;

Vakio ny toko manontolo Joba 37