Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 35:11-15 Malagasy Bible (MG1865)

11. Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an'ny biby ambonin'ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an'ny voro-manidina?

12. Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy.

13. Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin'Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany.

14. Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao.

15. Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana?

Vakio ny toko manontolo Joba 35