Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 35:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:

2. Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an'Andriamanitra?

3. Fa hoy ianao: Mahasoa ahy manao ahoana moa? Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin'ny fahotako?

4. Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin'ny namanao.

5. Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao.

6. Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?

7. Raha marina ianao, dia hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin'ny tananao?

Vakio ny toko manontolo Joba 35