Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 34:31-36 Malagasy Bible (MG1865)

31. Fa moa mba efa nisy niteny tamin'Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena aho ka tsy hanao ratsy intsony;

32. Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony?

33. Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon'ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho, koa izay fantatrao no ambarao.

34. Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe:

35. Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena.

36. Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon'ny ratsy fanahy!

Vakio ny toko manontolo Joba 34