Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 34:1-15 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:

2. Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.

3. Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava no manandrana hanina.

4. Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika.

5. Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin'Andriamanitra tamiko ny rariny;

6. Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho.

7. Aiza moa no misy lehilahy tahaka an'i Joba, izay manaram-po amin'ny famingavingana toy ny fisotro rano.

8. Ary tonga naman'ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin'ny ratsy fanahy?

9. Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin'Andriamanitra.

10. Koa amin'izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an'Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!

11. Fa ny nataon'ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy.

12. Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.

13. Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao?

14. Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,

15. Dia hiala avokoa ny ain'ny nofo rehetra, ary hiverina amin'ny vovoka ny olona.

Vakio ny toko manontolo Joba 34