Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 33:8-19 Malagasy Bible (MG1865)

8. Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon'ny teninao hoe:

9. Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;

10. He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;

11. Mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.

12. He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon'ny zanak'olombelona.

13. Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin'ny ataony?

14. Kanefa misy fanao iray itenenan'Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman'ny olona izany,

15. Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin'ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,

16. Dia manokatra ny sofin'ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,

17. Mba hampiala ny olona amin'ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.

18. Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan'ny fiadiana.

19. Anarina amin'ny fanaintainana eo ampandriany koa izy sy amin'ny fikotrankotran'ny taolany lalandava;

Vakio ny toko manontolo Joba 33