Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 33:19-30 Malagasy Bible (MG1865)

19. Anarina amin'ny fanaintainana eo ampandriany koa izy sy amin'ny fikotrankotran'ny taolany lalandava;

20. Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian'ny fanahiny.

21. Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;

22. Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina.

23. Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin'ny arivo, hanoro izay tokony halehan'ny olona,

24. Ary hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,

25. Dia ho tsara noho ny an'ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin'ny andro nahatanorany izy;

26. Hivavaka amin'Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin'ny hafaliana, fa hampodiny amin'ny zanak'olombelona ny fahamarinany.

27. Dia hihira izy hilaza amin'ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;

28. Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin'ny fahitana ny mazava.

29. Indro, izany rehetra izany no ataon'Andriamanitra indroa amin'ny olona, eny, intelo aza,

30. Mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin'ny fahazavan'aina.

Vakio ny toko manontolo Joba 33