Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 33:13-20 Malagasy Bible (MG1865)

13. Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin'ny ataony?

14. Kanefa misy fanao iray itenenan'Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman'ny olona izany,

15. Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin'ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,

16. Dia manokatra ny sofin'ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,

17. Mba hampiala ny olona amin'ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.

18. Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan'ny fiadiana.

19. Anarina amin'ny fanaintainana eo ampandriany koa izy sy amin'ny fikotrankotran'ny taolany lalandava;

20. Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian'ny fanahiny.

Vakio ny toko manontolo Joba 33