Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 33:1-14 Malagasy Bible (MG1865)

1. Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.

2. Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako.

3. Ny hitsim-poko no hiseho amin'ny teniko; Ary ny fahalalan'ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.

4. Ny Fanahin'Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain'ny Tsitoha no mamelona ahy.

5. Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara.

6. Indro, izaho koa mba an'Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin'ny tanimanga.

7. Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.

8. Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon'ny teninao hoe:

9. Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;

10. He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;

11. Mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.

12. He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon'ny zanak'olombelona.

13. Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin'ny ataony?

14. Kanefa misy fanao iray itenenan'Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman'ny olona izany,

Vakio ny toko manontolo Joba 33