Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 31:3-20 Malagasy Bible (MG1865)

3. Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?

4. Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra?

5. Raha tàhiny nandeha tamin'ny fitaka aho na niezaka tamin'ny fahafetsena.

6. (Enga anie ka holanjain'Andriamanitra eo amin'ny mizanan'ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);

7. Raha tàhiny nivily niala tamin'ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin'ny tanako:

8. Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.

9. Raha tahìny adala tamin'ny vadin'olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran'ny namako aho,

10. Dia aoka kosa ny vadiko halain'ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.

11. Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain'ny mpitsara;

12. Fa afo mandevona hatrany amin'ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.

13. Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an'ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,

14. Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?

15. Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?

16. Raha tàhiny aho nandà Izay nirin'ny malahelo ka nahapahina ny mason'ny mpitondratena,

17. Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan'ny kamboty

18. (Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);

19. Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,

20. Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany, ary tsy nanafàna azy ny volon'ondriko;

Vakio ny toko manontolo Joba 31