Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 31:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy?

2. Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin'Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin'ny Tsitoha any amin'ny avo?

3. Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?

4. Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra?

5. Raha tàhiny nandeha tamin'ny fitaka aho na niezaka tamin'ny fahafetsena.

6. (Enga anie ka holanjain'Andriamanitra eo amin'ny mizanan'ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);

7. Raha tàhiny nivily niala tamin'ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin'ny tanako:

8. Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.

Vakio ny toko manontolo Joba 31