Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 30:3-10 Malagasy Bible (MG1865)

3. Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.

4. Mitsongo anambodihena eo amin'ny kirihitrala izy, ary ny fakan'ny anjavidy no fihinany.

5. Roahina tsy ho eo amin'ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.

6. Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.

7. Minananana eny amin'ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin'ny amiana.

8. Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin'ny tany.

9. Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.

10. Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.

Vakio ny toko manontolo Joba 30