Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 30:25-30 Malagasy Bible (MG1865)

25. Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?

26. Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.

27. Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.

28. Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian'ny olona.

29. Rahalahin'ny amboadia aho Ary naman'ny ostritsa.

30. Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana ny taolako.

Vakio ny toko manontolo Joba 30