Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 30:17-25 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ny alina mampahalò ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.

18. Noho ny haben'ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany.

19. Eny, nanary ahy teo amin'ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho

20. Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.

21. Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin'ny tananao no andrafianao ahy.

22. Aingainao ho eny amin'ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin'ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho.

23. Fa fantatro fa hampodinao any amin'ny fahafatesana aho, dia any amin'ny trano fivorian'ny olombelona rehetra.

24. Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran'ny rava? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza?

25. Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?

Vakio ny toko manontolo Joba 30