Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 30:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak'ireo izay nolaviko tsy ho isan'ny amboa miandry ny ondriko akory aza.

2. Eny, mampaninona ahy ny herin'ny tànan'ireo. Izay efa very fahatanjahana?

3. Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.

4. Mitsongo anambodihena eo amin'ny kirihitrala izy, ary ny fakan'ny anjavidy no fihinany.

5. Roahina tsy ho eo amin'ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.

Vakio ny toko manontolo Joba 30