Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 3:5-20 Malagasy Bible (MG1865)

5. Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.

6. Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny andron'ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana;

7. Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;

8. Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;

9. Aoka ho maizina ny kintan'ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason'ny maraina izy,

10. Satria tsy nanidy ny varavaran'ny kibon'ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin'ny masoko.

11. Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e?

12. Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?

13. Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,

14. Teo amin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin'ny tany, izay nanao ireny tanàna efa rava,

15. Na teo amin'ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;

16. Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.

17. Any no itsaharan'ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;

18. Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy.

19. Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony.

20. Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an'izay latsaka amin'ny fangidiana?

Vakio ny toko manontolo Joba 3