Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 3:18-25 Malagasy Bible (MG1865)

18. Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy.

19. Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony.

20. Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an'izay latsaka amin'ny fangidiana?

21. Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina:

22. Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,

23. Dia olona izay mandeha ao amin'ny maizina sady voafefin'Andriamanitra manodidina.

24. Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;

25. Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.

Vakio ny toko manontolo Joba 3