Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 29:3-16 Malagasy Bible (MG1865)

3. Fony mbola nazava teo ambonin'ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin'ny maizina;

4. Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin'ny laiko ny fisakaizan'Andriamanitra;

5. Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako;

6. Fony mbola nanasa ny tongotro tamin'ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;

7. Raha niainga niakatra ho eo amin'ny vavahadin'ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo ankalalahana,

8. Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;

9. Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;

10. Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin'ny lanilaniny.

11. Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,

12. Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.

13. Ny fisaoran'izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon'ny mpitondratena nampifaliko.

14. Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.

15. Efa maso ho an'ny jamba aho ary tongotra ho an'ny mandringa.

16. Efa ray ho an'ny malahelo aho, ary ny adin'ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.

Vakio ny toko manontolo Joba 29