Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 29:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:

2. Enga anie ka ho tahaka ny tamin'ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin'ny andro niarovan'Andriamanitra ahy!

3. Fony mbola nazava teo ambonin'ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin'ny maizina;

4. Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin'ny laiko ny fisakaizan'Andriamanitra;

5. Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako;

6. Fony mbola nanasa ny tongotro tamin'ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;

7. Raha niainga niakatra ho eo amin'ny vavahadin'ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo ankalalahana,

Vakio ny toko manontolo Joba 29