Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 28:7-15 Malagasy Bible (MG1865)

7. Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan'ny mason'ny voromahery,

8. Sady tsy nodiavin'ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan'ny liona masiaka.

9. Maninjitra ny tànany amin'ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin'ny fotony;

10. Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan'ny masony avokoa.

11. Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin'ny mazava.

12. Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?

13. Tsy misy zanak'olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona izy.

14. Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.

15. Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;

Vakio ny toko manontolo Joba 28