Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 27:7-22 Malagasy Bible (MG1865)

7. Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.

8. Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,44 raha maito ny ainy, ka tsoahan'Andriamanitra ny fanahiny?

9. Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?

10. Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an'Andriamanitra mandrakariva va izy?

11. Hampianatra anareo ny amin'ny tànan'Andriamanitra aho, ary tsy hisorona anareo aho ny amin'ny hevitry ny Tsitoha.

12. Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana?

13. Izao no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lovan'ny lozabe raisiny avy amin'ny Tsitoha:

14. Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an'ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;

15. Ny ankohonany sisa dia hasitrik'Ifahafatesana, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;

16. Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,

17. Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy;

18. Manao ny tranony tahaka ny an'ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon'ny mpiandry voly;

19. Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.

20. Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin'ny tafio-drivotra izy;

21. Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin'ny fitoerany;

22. Asian'Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin'ny tànany izy;

Vakio ny toko manontolo Joba 27