Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 27:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:

2. Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko.

3. Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin'Andriamanitra.

4. Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.

5. Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan'ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.

6. Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin'ny androko iray monja aza.

7. Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.

8. Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,44 raha maito ny ainy, ka tsoahan'Andriamanitra ny fanahiny?

Vakio ny toko manontolo Joba 27