toko

  1. 1
  2. 2
  3. 3
  4. 4
  5. 5
  6. 6
  7. 7
  8. 8
  9. 9
  10. 10
  11. 11
  12. 12
  13. 13
  14. 14
  15. 15
  16. 16
  17. 17
  18. 18
  19. 19
  20. 20
  21. 21
  22. 22
  23. 23
  24. 24
  25. 25
  26. 26
  27. 27
  28. 28
  29. 29
  30. 30
  31. 31
  32. 32
  33. 33
  34. 34
  35. 35
  36. 36
  37. 37
  38. 38
  39. 39
  40. 40
  41. 41
  42. 42

Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 26 Malagasy Bible (MG1865)

Ny teny navalin'i Joba

1. Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2. Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy!

3. Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka!

4. Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin'izay no nivoaka avy tao aminao?

5. Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin'ny rano sy any ambanin'ny mponina any.

6. Ny fiainan-tsi-hita miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra.

7. Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin'ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin'ny tsy misy.

8. Fonosiny amin'ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin'ny rahona tsy mety triatra.

9. Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin'ny amelarany ny rahony hanarona azy.

10. Asiany faritra manodidina eny ambonin'ny rano. Hatramin'izay ihaonan'ny mazava sy ny maizina.

11. Ny andrin'ny lanitra nihozongozona sady ankona amin'ny teny mafy ataony.

12. Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba;

13. Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra.