Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 23:2-8 Malagasy Bible (MG1865)

2. Mbola atao ho fikomianao ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin'ny fisentoako.

3. Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin'ny fitoerany aza!

4. Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;

5. Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko.

6. Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy

7. Fa amin'izany dia olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin'ny Mpitsara ahy.

8. Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;

Vakio ny toko manontolo Joba 23