Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 23:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2. Mbola atao ho fikomianao ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin'ny fisentoako.

3. Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin'ny fitoerany aza!

4. Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;

5. Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko.

Vakio ny toko manontolo Joba 23