Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 22:12-20 Malagasy Bible (MG1865)

12. Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon'ny kintana, endrey ny hahavony!

13. Nefa hoy ianao: Ataon'Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?

14. Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin'ny lanitra Izy.

15. Moa hizotra amin'ny lalana izay nalehan'ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan'ny olona ratsy fanahy.

16. Izay nesorina alohan'ny androny, ka nindaosin'ny riaka ny fanorenany,

17. Dia ireo izay manao tamin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon'ny Tsitoha atao ho anay?

18. Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy!

19. Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:

20. Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon'ny afo.

Vakio ny toko manontolo Joba 22