Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 21:25-33 Malagasy Bible (MG1865)

25. Ary ny anankiray maty amin'ny fahorian'ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.

26. Samy mandry ao amin'ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.

27. Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;

28. Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon'ny mpitohatoha? Ary aiza ny lay fitoeran'ny ratsy fanahy?

29. Kanefa tsy mba nanontany tamin'ny mpandeha amin'ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga, ambaran'Ireo hoe:

30. Amin'ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin'ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?

31. Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy?

32. Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana ao am-pasana;

33. Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan'ny maro tany alohany.

Vakio ny toko manontolo Joba 21