Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 20:8-19 Malagasy Bible (MG1865)

8. Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin'ny alina izy.

9. Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany.

10. Ny zanany hitambitamby amin'ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.

11. Ny taolany dia feno ny herin'ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka izany.

12. Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin'ny lelany,

13. Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany,

14. Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon'ny vipera no ao anatiny.

15. Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.

16. Ny poizin'ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan'ny menarana.

17. Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.

18. Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany.

19. Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.

Vakio ny toko manontolo Joba 20