Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 20:6-14 Malagasy Bible (MG1865)

6. Fa na dia mipaka amin'ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin'ny rahona ny lohany,

7. Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?

8. Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin'ny alina izy.

9. Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany.

10. Ny zanany hitambitamby amin'ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.

11. Ny taolany dia feno ny herin'ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka izany.

12. Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin'ny lelany,

13. Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany,

14. Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon'ny vipera no ao anatiny.

Vakio ny toko manontolo Joba 20