Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 20:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:

2. Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho ny fihetsiketsiky ny saiko.

3. Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin'ny fahalalako.

4. Tsy fantatrao va fa hatramin'ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin'ny tany,

5. Dia vetivety foana ny firavoravoan'ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian'ny mpihatsaravelatsihy?44

Vakio ny toko manontolo Joba 20