Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 19:8-24 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin'ny lalana alehako.

9. Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.

10. Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.

11. Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.

12. Miara-mandroso ny antokon'ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko.

13. Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.

14. Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.

15. Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho.

16. Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin'ny vavako aho.

17. Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak'ineny aho.

18. Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny.

19. Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.

20. Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.

21. Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan'Andriamanitra efa mikasika ahy.

22. Nahoana no manenjika ahy tahaka an'Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin'ny nofoko?

23. Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin'ny boky ireny!

24. Enga anie ka ho voasoratra amin'ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin'ny vatolampy ho mandrakizay izy!

Vakio ny toko manontolo Joba 19