toko

  1. 1
  2. 2
  3. 3
  4. 4
  5. 5
  6. 6
  7. 7
  8. 8
  9. 9
  10. 10
  11. 11
  12. 12
  13. 13
  14. 14
  15. 15
  16. 16
  17. 17
  18. 18
  19. 19
  20. 20
  21. 21
  22. 22
  23. 23
  24. 24
  25. 25
  26. 26
  27. 27
  28. 28
  29. 29
  30. 30
  31. 31
  32. 32
  33. 33
  34. 34
  35. 35
  36. 36
  37. 37
  38. 38
  39. 39
  40. 40
  41. 41
  42. 42

Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 18 Malagasy Bible (MG1865)

Ny teny fanindroany nataon'i Bildada

1. Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:

2. Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.

3. Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?

4. Ry ilay mamiravira tena amin'ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin'ny fitoerany?

5. Tsy izany, fa ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;

6. Ny mazava manjary maizina ao amin'ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.

7. Etena ny herin'ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.

8. Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin'ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin'ny harato izy;

9. Azon'ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon'ny tadivavarana

10. Miafina ao amin'ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.

11. Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin'ny alehany rehetra.

12. Liana azy ny loza, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;

13. Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin'ny lahimatoan'ny fahafatesana.

14. Ongotana hiala amin'ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin'ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.

15. Izay tsy taranany no hitoetra ao amin'ny lainy; Solifara no hafafy amin'ny fonenany.

16. Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka ny rantsany eo ambony.

17. Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin'ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.

18. Roahina hiala amin'ny mazava ho any amin'ny maizina izy ary enjehina hiala amin'izao tontolo izao.

19. Tsy manana fara mandimby eo amin'ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin'ny fonenany.

20. Ny manjo azy dia italanjonan'ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.