Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 17:2-9 Malagasy Bible (MG1865)

2. Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.

3. Masina Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?

4. Fa ny fon'ireto dia voahidinao tsy hidiran'ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.

5. Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason'ny zanany.

6. Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin'ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako.

7. Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.

8. Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy.40

9. Fa ny marina mifikitra tsara amin'ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.

Vakio ny toko manontolo Joba 17