Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 16:4-14 Malagasy Bible (MG1865)

4. Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;

5. Mahazo mampahery anareo amin'ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon'ny molotro.

6. Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangina aza aho, dia tsy misy mihena izany.

7. Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.

8. Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.

9. Amin'ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;

10. Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.

11. Efa voatolotr'Andriamanitra ho amin'ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan'ny mpanota.

12. Tamin'ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin'ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.

13. Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin'ny tany.

14. Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.

Vakio ny toko manontolo Joba 16