Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 16:15-21 Malagasy Bible (MG1865)

15. Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin'ny vovoka ny tandroko.

16. Ny tavako tera-menan'ny fitomaniana, ary eo amin'ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;

17. Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.

18. Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!

19. Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin'ny avo.

20. Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan'Andriamanitra kosa aho,

21. Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak'olombelona amin'ny sakaizako.

Vakio ny toko manontolo Joba 16