Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 16:11-21 Malagasy Bible (MG1865)

11. Efa voatolotr'Andriamanitra ho amin'ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan'ny mpanota.

12. Tamin'ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin'ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.

13. Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin'ny tany.

14. Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.

15. Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin'ny vovoka ny tandroko.

16. Ny tavako tera-menan'ny fitomaniana, ary eo amin'ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;

17. Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.

18. Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!

19. Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin'ny avo.

20. Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan'Andriamanitra kosa aho,

21. Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak'olombelona amin'ny sakaizako.

Vakio ny toko manontolo Joba 16