Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 15:20-31 Malagasy Bible (MG1865)

20. Ny ratsy fanahy mijalijaly amin'ny androny rehetra, dia amin'ny taona rehetra voatendry ho an'ny lozabe.

21. Feo mampitahotra no ren'ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.

22. Tsy manantena ho afaka amin'ny maizina izy; Andrasan'ny sabatra izy.

23. Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.

24. Fahoriana sy fahaporitana no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin'ny ady,

25. Satria naninjitra ny tanany hanohitra an'Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.

26. Mimaona amin'ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin'ny foitran'ampingany matevina,

27. Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany;

28. Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran'olona, izay efa voatendry ho korontam-bato.

29. Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra ambonin'ny tany ny fananany.

30. Tsy ho afaka amin'ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon'ny lelafo; ho levon'ny fofonain'Andriamanitra izy.

31. Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy.

Vakio ny toko manontolo Joba 15