Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 15:12-20 Malagasy Bible (MG1865)

12. Nahoana no dia entin'ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao,

13. Ka miefonefona amin'Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?

14. Inona ny zanak'olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?

15. Indro, ireo anjeliny aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;

16. Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano!

17. Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko,

18. Dia zavatra notorin'ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin'ny razany;

19. Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.

20. Ny ratsy fanahy mijalijaly amin'ny androny rehetra, dia amin'ny taona rehetra voatendry ho an'ny lozabe.

Vakio ny toko manontolo Joba 15