Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 15:1-16 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:

2. Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin'ny rivotra avy any atsinanana va,

3. Ary hamaly amin'ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara?

4. Eny, foananao ny fahatahorana an'Andriamanitra, ary tampenanao ny fivavahana eo anatrehany;

5. Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan'ny fetsy ianao.

6. Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.

7. Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan'ny tendrombohitra va ianao?

8. Isan'ny mpihevitra teo amin'Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?

9. Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa?

10. Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.

11. Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin'Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin'ny fahalemem-panahy?

12. Nahoana no dia entin'ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao,

13. Ka miefonefona amin'Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?

14. Inona ny zanak'olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?

15. Indro, ireo anjeliny aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;

16. Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano!

Vakio ny toko manontolo Joba 15