Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 13:6-16 Malagasy Bible (MG1865)

6. Masìna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.

7. Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an'Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?

8. Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an'Andriamanitra va ianareo

9. Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak'olombelona va Izy?

10. Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo.

11. Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy?

12. Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo.

13. Mangina, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.

14. Nahoana no hitondra ny nofoko amin'ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho.

15. Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.

16. Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany.

Vakio ny toko manontolo Joba 13