Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 13:16-27 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany.

17. Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren'ny sofinareo ny filazàko.

18. Indro, fa efa voatoriko ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.

19. Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.

20. Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;

21. Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao.

22. Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.

23. Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.

24. Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?

25. Moa izay ravin-kazo indaosin'ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?

26. Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;

27. Dia mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin'ny tongotro dia feranao.

Vakio ny toko manontolo Joba 13