Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 13:13-26 Malagasy Bible (MG1865)

13. Mangina, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.

14. Nahoana no hitondra ny nofoko amin'ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho.

15. Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.

16. Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany.

17. Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren'ny sofinareo ny filazàko.

18. Indro, fa efa voatoriko ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.

19. Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.

20. Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;

21. Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao.

22. Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.

23. Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.

24. Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?

25. Moa izay ravin-kazo indaosin'ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?

26. Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;

Vakio ny toko manontolo Joba 13