Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 13:10-20 Malagasy Bible (MG1865)

10. Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo.

11. Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy?

12. Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo.

13. Mangina, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.

14. Nahoana no hitondra ny nofoko amin'ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho.

15. Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.

16. Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany.

17. Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren'ny sofinareo ny filazàko.

18. Indro, fa efa voatoriko ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.

19. Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.

20. Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;

Vakio ny toko manontolo Joba 13