Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 13:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Indro, izany rehetra izany efa hitan'ny masoko, ary efa ren'ny sofiko ka fantany.

2. Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.

3. Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.

4. Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra,

5. Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany!

6. Masìna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.

7. Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an'Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?

8. Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an'Andriamanitra va ianareo

Vakio ny toko manontolo Joba 13