Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 11:9-18 Malagasy Bible (MG1865)

9. Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina.

10. Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?

11. Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy.

12. Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona.

13. Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao,

14. Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;

15. Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra;

16. Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.

17. Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina.

18. Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin'ahiahy.

Vakio ny toko manontolo Joba 11