Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 11:1-12 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:

2. Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?

3. Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra,

4. Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.

5. Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao!

6. Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian'Andriamanitra avokoa ny helokao.

7. Takatry ny sainao va ny fomban'Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha

8. Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao?

9. Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina.

10. Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?

11. Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy.

12. Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona.

Vakio ny toko manontolo Joba 11